FOMBA 3 FANGATAHANA FANAMPIANA AMIN’NY “ANGE & ARCHANGE”.
Maro tokoa ianareo no nanontany hoe “Fantatray ny anjely mpiambina anay
sy ny arkanjely mifanaraka amin’ny vintanay nefa tsy hainay hoe: Ahoana ny
fomba firesahana aminy? Ahoana ny fomba fangatahana izay zavatra ilaina
aminy? ahoana ny fomba fiantsoana azy hitari-dalana?” sns.
Ny “anges” sy ny “archanges” dia eo foana afaka manolotra fanampiana sy
tari-dalana ho anao satria izay no asan-dry zareo, izay no “mission”-ny. Tsy
mitaky zavatra sarotra be zareo, fa na dia ny eritretrao lalina, na ny
fangatahanao mahitsy, sy ny fangatahanao amin’ny fo madio fotsiny aza dia ampy
hifandraisanao amin-dry zareo. Afaka mangataka zavatra kely ianao
amahanao ny olana goavana mianjady aminao, ary afaka mangataka tari-
dalana izay mitondra anao any amin’ny lalana tokony ho izy.
Ny “anges” sy ny “archanges” dia tsy afaka miditra avy hatrany amin’ny
fiainanao, tsy afaka manampy mivantana anao raha tsy mahazo alalana
avy aminao, izany hoe manaja ny safidin’ny olona tsirairay ry zareo ka raha
tsy mamela azy ireo iasa malalaka ianao tsy mihetsika ry zareo, ary raha tsy
mangataka koa ianao tsy misy zavatra azony atao. Ka ireto fomba
fangatahana amin’ny anjely mpiambina sy ny arkanjely ireto indrindra no
atoro anao androany.
Miseho amin’ny fomba sy endrika maro samihafa ny fanampianan’ny anjely,
toy ny fiarovana, fanasitranana, tari-dalana, “inspiration”, fanomezana
“opportunités” isan-karazany, “comfort”, “encouragement”, manolotra
hevitra, na olona na zavatra mitondra anao any amin’ny tanjona irianao,
etc.
Alohan’ny anaovanao ireto zavatra manaraka ireto dia mila ianao
mangataka amin’ny fo madio sy milaza marina izay tena zavatra iriana sy
angatahina ary hamela ny anjely mpiambina anao iasa malalaka mba
hampiasany ny hery sy fahefana ananany. Afaka misafidy amin’ireto fomba
3 ireto ianao miankina amin’izay zavatra tadiavinao, dia jereo koa ireo
archanges mifanaraka amin’izay.
1- VONONA AHO AMIN’NY FIKASANA REHETRA.
Vonona ianao iaina sahady ny zavatra izay tadiavinao. Tena matanjaka be
ny herin’io fahavononana asehonao io, ataovy miakatra tsara ny
fihetsehamponao. Afaka mampiasa ity fehezanteny ity ianao rehefa
mangataka amin’ny anjely, ohatra fotsiny ito fa afaka ataonao mifanaraka
amin’izay zavatra tianao hiseho amin’ny fiainanao.
“Ry anjely mpiambina, na arkanjlely (lazaina mihitsy ny anarany), vonona
tanteraka aho andray/iaina ______________________________________(lazao
izay zavatra tadiavinao) amin’ny hatsarako rehetra. Ampio aho ampitranga
ireo amin’ny fiainanako, ary hanaraka ny taridalana itondranao ahy.
Mankasitra indrindra”
Ataovy fehezanteny positive foana no ampiasaina, ary izay zavatra tena
tadiavainao marina lazaina fa tsy ny fomba ahatongavanao any. Afaka averina in-2 io na in-3.
Tsy fitarainana io, na fitalahoana ka tsy mila averina im-betsika, rehefa mampiseho fahavonona
ianao dia miasa ho anao ry zareo.
2- FANGATAHANA OLONA na “RESOURCES”
Matetika ianao no mila fanampiana avy amin’ny hafa mba hahatanteraka
ny nofinofinao, indrindra amin’ny lafin’ny “business”, na “relation”, na izay
zava-kinendrinao amin’ny fiainana mihitsy. Ny anjely dia afaka manome
anao olona izay tena ilainao amin’izany. Ka ito indray misy ohatra,
fehezanteny azonao ampiasaina.
“Ry anjely mpiambina (lazaina ny anarany) sy arkanjely Michael, mba
itondray olona sy “resources” ilaiko aho hananganako
___________________________________. Mba ataovy ao an-tsain’ny olona afaka
manampy ahy aho, ary ataovy izay ihaonako sy ifaneraserako amin’ireo
olona ireo. Mankasitraka”
3- FANGATAHANA HEVITRA & “INSPIRATION”
Mahatsiaro ho very hevitra ve ianao? Tsy mahita zavatra ho atao? Afaka
manampy anao amin’izany ny anges sy ny archanges. Raha tsy tena sûr
tsara amin’ny zavatra tadivinao ianao, sy tsy fantatrao mazava izay zavatra
tena kasainao amin’ny fiainana dia tena mila ataonao izy ity. Mety ihany koa
ho an’ireo olona ao anatin’ny tontolon’ny famonoronana .
“Ry anjely sy arkanjely (lazaina ny anarany), mba omeo hevitra sy
“inspiration” aho hanampy ahy (anapa-kevitra, ahalala, amorona)
___________________________________________, ka ho fantatro ny dingana
manaraka tokony ho ataoko. Mankasitraka”.
Ireto avy ary ireo “archanges” sy ny zavatra iandreketany ka jereo hoe iza no
mifanaraka amin’ilay zavatra tadiavinao sy irianao.
Michael: Fiarovana sy fikasana amin’ny fiainana
Raphael: Fanasitranana ny saina, ny vatana ary ny fanahy. Fiarovana
amin’ny fandehanana lavitra
Gabriel: Famoronana (creativité), fifandraisana sy serasera
(communication) ary Zanaka
Uriel: Fanasitranana ny fihetsehampo, Fiantsoana fahalalana sy hevitra
(Tena mety ho an’ny mpianatra, sy ireo mpanao concours, na fanadinana)
Jophiel: Hatsarana amin’ny lafin-javatra rehetra, Famoronana hatsarana
(Mety amin’ireo mpanao decoration na designer)
Haniel: Miasa miaraka amin’ny volana (Antsoina rehefa diavolana)
Ariel: Manampy amin’ny ara-bola sy fiariana ary ny harena rehetra. Miaro
ny biby fiompy ihany koa
Zadkiel: Manampy amin’ny fitadidiana
Azrael: Manala ny hatezerana sy ny hakizintinana
Chamuel: Fitiavana, manampy amin’ny tontolon’ny fitiavana rehetra.
Metatron: Manafaingana ny zavatra atao (Raha tsapanao miadana ny
fizotry ny zavatra ataonao dia izy antsony hanafaingana izany)
Raguel: Filaminana, firindrana (Harmonie) – Ny rariny.
Raziel: Manasitra ny ratra navelan’ny lasa.
Sandalphon: Mozika (Mety ho an’ny mpitendry, mpihira, mamporona ).
AZA AMIDY RE TOMPOKO OH!
AOKA HO FANOMEZA ATRANY MBA HAMPINTOMBO ASINA ATSIKA