Wikimania
| 'Wikimania' | |||
| Anarana | Wikimania | ||
| Lisitr'ireo firenena nampiantrano | |||
|
|||
| Daty nisiany voalohany | |||
|
|
|||
| Mpikarakara | |||
|
|
|||
| Tranokala | |||
|
|
|||
| Hanova | |||
Wikimania dia fihaonambe iraisam-pirenena atao isan-taona ka ivondronan'ireo mpandrindra ny volavola tetikasa Wikimedia. Mipaka avy hatrany amin'ny famelabelarana ny traikefa izay efa ananana amin'ireo tetikasa rahavavy toy ny Wikipedia, Wikibolana, Wikitanisa, Wikiboky, sns no antom-pisian'ny Wikimania.
Tanjona sy zava-kendrena
[hanova | hanova ny fango]Ny tanjon'ny Wikimania dia:
- Fifampizaràna traikefa sy fahaiza-manao eo amin'ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa Wikimedia.
- Fifanomezana aingam-panahy amin'ny fomba fanatsarana ny votoaty sy ny fomba fiasa.
- Fanamafisana ny fifandraisana sy fiarahamiasa eo amin'ny vondrom-piarahamonina manerantany.
Tantaran'ny Wikimania
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tamin’ny taona 2005 ny Wikimania voalohany, izay natao tao Frankfurt, Alemaina. Hatramin’izay dia efa notanterahina tany amin’ny tanàna sy firenena maro samihafa, toy ny hita etsy amin'ny fiseho:
Wikimania sy Afrika
[hanova | hanova ny fango]Manomboka misongadina amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana anjaran'ny vondrom-piarahamonina afrikana amin'ny Wikimania. Tamin’ny taona 2022, ohatra, dia natao tao amin’ny tanànan’i Kigali, Rwanda, ny Wikimania voalohany niaraka tamin’ny fandraisana anjaran’ny vondrona afrikana maro.
Rohy mankany amin'ny pejy ofisialy
[hanova | hanova ny fango]Fiseho
[hanova | hanova ny fango]Lisitr'ireo Wikimania
[hanova | hanova ny fango]Wikimania 2005 - Francfort
[hanova | hanova ny fango]
Tamin'ny 2005, Wikimania dia notanterahina faha 4- 5- 6 ary faha 7, volana aogositra tao Francfort-sur-le-Main ao Alemaina. Io fivoriambe io dia nahita mpandray anjara 380 tamin'ireo firenena dimam-polo nandray anjara.
Wikimania 2006 - Boston
[hanova | hanova ny fango]Ny taona 2006, Wikimania dia notanterahina faha 4- 5 ary faha 6, volana aogositra tao Harvard Law School's Berkman Center for Internet & Society tao Boston ao Etazonia.
Wikimania 2007 - Taipei
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka ny 25 septambra 2006, ny Wikimania 2007 izay notanterahina tao Taiwan tamin'ny tanàn-dehibe Taipei ny 3 aogositra ary 5 aogositra taona 2007.[1].
Wikimania 2008 - Alexandrie
[hanova | hanova ny fango]
Wikimania izay notanterahina tao Alexandrie tany Ejipta, ny faha 17 jolay hatramin'ny 19 jolay 2008. Izy io dia natao tao Bibliotheca Alexandrina.
Wikimania 2009 - Buenos Aires
[hanova | hanova ny fango]
Wikimania 2009, izay notanterahina ny farany volana aogositra tao Buenos Aires, tany Arzantina. Ny fizarana farana dia natao teo anelanelany Buenos Aires sy Toronto ; Brisbane (Australie) ary Karlsruhe (Alemaina).
Wikimania 2010 - Gdansk
[hanova | hanova ny fango]Natao tamin'ny 9 hatramin'ny 11 jolay 2010, tao amin'ny tanàn-dehibe Gdansk, any Polonia.
Wikimania 2011 - Haifa
[hanova | hanova ny fango]
Wikimania 2011 izay natao faha 4 hatramin'ny 7 volana aogositra, tao Haifa, any Israely[2].
Wikimania 2012 - Washington D.C
[hanova | hanova ny fango]
Wikimania 2012 izay natao faha 10 hatramin'ny faha 15 jolay 2012 tao Washington D.C..
Wikimania 2013 - Hong Kong
[hanova | hanova ny fango]Wikimania 2013 izay natao faha 7 hatramin'ny faha 11 aogositra 2013 tao Hong Kong.
Wikimania 2014 - Londres
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka ny voalohany volana desambra taona 2012, no nisafidianana ny toerana hanaovana ny fihaonana Wikimania 2014. Tanàn-dehibe iray London no voafidy tamin'ny volana may 2013, koa natomboka ny 8 hatramin'ny faha 10 vola aogositra ny fihaonana tao Barbican Centre, izay tanàna mpanao art ngeza indrindra ao Eropa.
Wikimania 2015 - Mexico City
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka ny voalohany volana may taona 2014, no nisafidianana ny toerana nanaovana ny fihaonana Wikimania 2015.[3]
Wikimania 2016 - Esino Lario
[hanova | hanova ny fango]Ny toerana hanaovana ny fihaonana Wikimania 2016 dia hatao ao Esino Lario any Italy.
Tsiahy
[hanova | hanova ny fango]
|
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Category:Wikimania |
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- ((en)) Site global de Wikimania
- ((en)) Site de Wikimania 2005
- ((en)) Site de Wikimania 2006
- ((en)) Site de Wikimania 2007
- ((en)) Site de Wikimania 2008
- ((en)) Site de Wikimania 2009
- ((en)) Site de Wikimania 2010
- ((en)) Site de Wikimania 2011
- ((fr)) Site francophone de Wikimania 2012
- ((fr)) Sites francophones de Wikimania 2013 & Rencontre francophone
- ((fr)) Site francophone de Wikimania 2014
- ((en)) Site de Wikimania 2015
- ((en)) Worldwide Wikimania, ao amin'ny The Guardian, 11 aogositra 2005
- ((en)) Rewriting the rule book ao amin'ny BBC, 15 aogositra 2005