Hankany amin'ny vontoatiny

Hoho

Avy amin'i Wikipedia
Hohon-tsaka sy hohon' olombelona

Ny hoho dia ampahany mafy, tsy misy fahatsapana, mipetaka eo amin' ny tendron' ny rantsan-tànana na ny rantsan-tongotry ny biby sasany. Izy io dia tendro mafy mitovitovy amin' ny tandroka na ny kitro, vita amin' ny keratinina. Ny teny hoe "hoho" dia manondro indrindra ny endrika fisaka hita amin' ny Primates, anisan' izany ny olombelona.

Amin' ny teny malagasy dia atao hoe "hoho" koa ny an' ny biby mampinono sasany, ny vorona, ary biby mandady maro, izay ampiasainy amin' ny fihazonana, ny fandrovitana, ny fianihana, na ny fiarovan-tena, na dia matevina sy mifaingoka ary maranitra.