Haambo

Ny haambo na haabo dia ny elanelana mijidin' ny toerana iray velarana iaingana, dia ny an' ny ranomasina izay ifananarahana ho 0 m (aotra metatra) na ny jeôîda (na vorim-kambosana), raha ny toerana eto amin' ny Tany no heverina. Refesina araka izany ny haambon' ny tendrombohitra, ny haambon' ny toerana misy ny tanàna iray, ny toerana misy ny zavatra eny amin' ny habakabaka toy ny rahona, ny lalan' ny fiaramanidina, sns. Mety ho miabo na miiba ny haambo iray. Miiba ohatra ny hahavon-toeran' ny Ranomasina Maty izay mananana haambo -392 m, izany hoe 392 m ambanin' ny "haabon' ny ranomasina". Manana haambo 8 849 m eo ho eo ny tampon' i Everest.
Misy fiantraikany amin' ny tontolo iainana ny haambo: mihamanify ny hatevin' ny rivotra eo ambonintsika ka miteraka fihenan' ny tsindrin' ny atmôsfera. Lasa mihena ny hakitroky ny rivotra, izay mety hahatonga ny olona ho voan' ny aretina vokary ny haambo. Amin' ny ankapobeny dia midina eo amin' ny 6,5°C eo ho eo ny maripana isaky ny fiakarana 1 000 m ao amin' ny sosona ambany amin' ny atmôsfera.
Zava-dehibe eo amin' ny jeôgrafia, ny klimatôlôjia, ny fifamoivoizana ana habakabaka, ny fambolena ary ny bôtanika ny haambo, satria misy fiantraikany amin' ny lafin-javatra toy ny maripana, ny tsindrin' ny atmôsfera ary ny tsinjara toeran' ny karazana zavamananaina.