Antananarivo, le 04 Aout 2023
RASAMIZAFY Chariff Caderba Youssend né le 02
Novembre 1972 à VOHEMAR, CIN 716 01 1 000
829 du 11 Juillet 1990 à Vohemar Duplicata du
15/06/2006, Profession : Boucher À
Lot : 698 -67Ha Centre Ouest Monsieur LE Chef de District de VOHEMAR
Tél : 032 53 387 06, 034 01 872 66
ANTONY: Fitarainana amin’ny fanararaotana mandroba ny fananako any Vohemar, taniko ao
Andranotsara Antsahalalina Fokontany sy Kaominina ambanivohitra Ampondra (araka ny fitarainana izay
nalefako tany amin’ny Mediature de la republique momba ny raharaham-pitsarana ifanaovany sy
SOARIZIKY Maurette, dolèance n° 273/22/MED)
Andriamatoa Lehiben’ny district hajaina,
Voninahitra ho ahy Voalaza anarana sy adiresy etsy aloha no mametraka ity
taratasy fitarainana ity aty aminao noho izao antony manaraka izao.
noho ny tsindry hazo lena sy hery famoretana mihoapapana nihatra amiko
nandritra ny ady na raharaham-pitsarana ifanaovanay sy SOARIZIKY Maurette dia nifindramonina aty
Antananarivo aho miandry ny rariny. Satria nametraka fitarainana amin’ireo Birao fitarainana
isantsokajiny, izay eo ambany fanarahamason’ny Mediature de la republique. Ny herin’andro lasa teo aho
anefa no naharay antso avy any Vohemar fa misy miditra ankeriny sy mandoro ny taniko sy ny famboleko
ao Andranotsara Antsahalalina Fokontany sy Kaominina Ampondra, nanao tatitra teny amin’ny biraon’ny
Mediature de la Republique aho .
Araka ny toromarika azoko dia mila atao Consta hoy ry zareo izany tranga izany
ka ny tompon’andraikitra any antoerana no manao azy, nilaza ry zareo fa hiantso ny tompon’andraikitra
rehetra aty Vohemar. Rehefa niverina tany aho afaka iray andro dia nasaina nanoratra aty amin’ny Chef
District Vohemar mba anomezan-dalana ireo tompon’andraikitra ifontony hanao Consta.
Andriamatoa Lehiben’ny district, mangataka ny tenako ny mba hijerenareo
tompon’andraikitra ifontony izao fanimbana voly sy fandoroana ny tanim-boliko izao. Satria tany efa
voarefy aradalàna sy voavoly tamin’ny Masom-boly aradalàna io toerana io. Fanararaotana sy fisolokina
raha misy ny miditra sy mampisa io tany io, ka tsy mangataka alalana aty amiko.
Andriamatoa Lehiben’ny district, Eto ampamaranana dia apetrako amin’ny
fahendrenao ny fijerena akaiky ity raharaha ity eo anatrehan’ny lalàna tsy azo idivirana. Koa mba raiso
tompoko ny haja sy voninahitra ambony indrindra atolotro ho anao. Misaotra indrindra tompoko!
Ny Mpitaraina
RASAMIZAFY Chariff Caderba Youssend