Entrées Et Snack
Entrées Et Snack
Filipiana 4:13
Jkjn
BOKY FIANARANA MAHANDRO
NOVOKARIN’NY COURS CUISINE HM
Ny Hoavy Razafimahatratra
2
Pâte feuilletée SY Pate Levée Feuilleté
I- Pâte feuilletée (PF)
Ity pate iray ity dia hanamboarantsika ireo karazana feuilletée toy ny :
- Feuilleté saucisse
- Feuilleté fromage
- Mille-feuille
- Chausson ou vol au vent
- ….
Mbola ho hitantsika tsirairay ao ambany ireo
3
2- Tour double
- Kosehina hivelatra ho tonga mahitsizoro amin’ny rouleau ny pate (rectangle),
Tsy voatery mahitsy be akory ny sakany (largeur)
- Toy izao kosa ny famoretana azy
Famintinana : Ny famoretana ny pate noho izany no maha samihafa ny TOUR DOUBLE sy TOUR
SIMPLE
Ingredients :
- 500g farine
- sira 3 tsongo
- siramamy 3 sotro kely feno tsara
- levure boulangère saf instant 1 fonosina sy tapany (fonosana kely)
- Atody 2
- Ronono 1 boite yaourt maison (hafanana zakan’ny akihikely)
- Menaka 3 sotro lehibe
- Beurre de feuilletage 250g (eny amin’ny epicerie lehibe dia ahitanao azy)
- Afangaro ao anaty koveta jobo ny fangaro vovony rehetra na poudre (farine + sira + sucre +
levure), tsy avela hikasika amin’ny sira ny levure mba tsy ho lefy ny heriny, izany hoe
hafangaro tsara aloha ny farine sy sira sy siramamy izay vao harotsaka ny levure.
- Atao toy ny endrika tendrombohitra ireo fangaro vovony ireo ary lavahana eo afovoany.
Arotsaka ao ny fangaro ranony rehetra (liquide) ny atody tsy kapohina mialoha akory.
- Afangaro amin’ny spatule amin’izay miainga avy eo afovoany mankany ivelany.
4
- Afaka mampiasa tanana amin’izay ianao mba hifangaro tsara ny pate, ny loha tanana aloha
no hampiasaina voalohany izay vao ny vohontanana (pomme de la main) rehefa mi-travailler
pate.
- Azonao avoaka eo ambony latabatra madio amin’izay koa ny pate ka eo ianao no manoy mi-
travailler azy. Rehefa mahazo pate malama tsara tsy miraikitra min’ny tanana ianao dia vita.
Rehefa vo-travailler tsara ny pate dia malama tsara.
Io sary fahatelo io no andrasana aminao, aza mamaika manisy farine raha miraikitra ny pate
fa travailleo foana aloha rehefa hafa nenina ianao izay vao manisy farine kely.
- Rehefa mahazo io pate faha telo io ianao (boule) dia apetrao haka aina kely eo aloha ilay
pate (pause) mandritra ny adiny 1. Asio farine matetika ny toerana hiasanao manomboka
eto
- velaro amin’ny rouleau amin’izay ny pate. Tsy voatery hatao manify sao ho rovitra.
- Alaivo ny beurre feuilletage. Raha mafy be ilay beurre dia fisapisaho amin’ny rouleau ihany
koa aloha. Aza atao mafy loatra sao tapaka indray.
- Apetrakao eo afovoan’ilay pate novelarina ny beurre feuilletage fisapisaka, dia fonosinao
tsara ao.
- Avy eo avadika ny pate misy ny beurre feuilletage ao anatiny, izany hoe ilay ambony teo atao
ao ambany avy eo velaro moramora amin’ny rouleau ilay pate. Tokony hahazo habe intelo
mihoatra io hiainganao io ianao.
Fanamarihana : Rehefa mamelatra ilay pate amin’ny rouleau ianao dia hatsangana ny pate
fa tsy hatsivalana akory.
Andao amin’izay ary hanao mofo, tapahanao manaraka ireny tsipika ireny ny pate :
CROISSANT ity (ny ambany koa atao) tokony hahazo croissant eo amin’ny 18 eo ianao
amin’ny farine 500g
6
PAIN AU CHOCOLAT
Didina rectangle indray izany ny pate, asiana chocolat en baton ny sakany dia fonosina ao asiana koa
ny ny sakany ambony dia tohizana fonosina. Ny tohiny toy ilay croissant teo ihany. Avela hitombo dia
asiana dorrure
PAIN AU RAISIN
- Ilay pate novelarina hosorana creme patissiere (mbola ho enarantsika avy eo) , rarahana
raisin sec
- Ahorona toy ny tsihy
- Tapatapahina amin’izay
PATE FEUILLETEE
Mille feuille
- Avelatra eo ambony moule ny pate , 6mm eo ny hateviny (ilay efa vita tour double in3)
- Tsindrontsindromina fourchette mba tsy hibotsina loatra
- Asiana dorrure dia atsofoka anaty lafaoro 200ᵒ mandritra ny 20mn
7
- Rehefa masaka dia ampahitsina tsara ny sisiny ary zaraina telo amin’ny sakany toy izao ny
pate
- ilay tsipika manga amin’ny sary zany no didinao amin’ny antsy
A B C
- Azonao atao koa ny mampiasa colorant alimentaire raha loko hafa mihintsy no tadiavinao.
Raha mafy loatra ilay glacage dia tapoana rano mamay ihany.
- Hosorana amin’ny B amin’izay iay glacage fotsy dia apetraka eo amboniny avy eo ny C Ary
rarahana glacage fotsy indray. Haingonao amin’ny Glacage marron amin’izay.
-
- Manao cornet kely amin’ny taratasy ianao ohatra hanoritanao ilay glacage choco mitsivalana
8
- Atao anaty congelateur raha manana ianao mandritra ny adiny 1
- Azonao atao koa ny manolo ny glacage amin’ny creme chantilly
Fanamarihana : raha glacage no ampiasainao dia somary mailamailaka manosotra azy manjary
mihamafy.
CORNET
- Aza adino ny dorrure, dorrure ihany koa no ametahanao azy. 200ᵒ 20mn
CARRE JALOUX
farce
CHAUSSON
- Toy izao no hanapanapahana ny pate, asiana farce dia aforitra, ampifanantonina ireo point
roa ireo
- Dorrure ihany no ametahanao ny sisiny dia afaka tsindrina amin’ny fourchette ihany koa ny
sisiny mba hanome endrika azy
VOLS AU VENT
- Avelao hijanona eo fotsiny adiny 2 aloha ny vol au vent vao ampidirana lafaoro mba tsy
hitongilana. Ho asiana sesika izy io ary ho hitantsika any amin’ny entree chaude.
10
PATE A PIZZA
Maro ny fanamboarana ny pâte à pizza fa mba hampahomby azy dia mila kosehina manify
izy.
Ingredients :
- Farine 500g
- Rano matimaty 300ml (2 pots yaourt maison sy tapany)
- Menaka 1 sotro fihinana
- Sira 3 tsongo
- Siramamy 1 sotro kely.
Tsy manisy levure isika eto mba tsy hampibontsina ny pate. Ny fahaizanao mi-travailler azy
no mampahomby azy.
Fomba fanamboarana azy :
- Tatavanina ny farine, asiana sira sy siramamy
- Arotsaka ao ny rano matimaty
- Afangaro tsara amin’ny spatule, rehefa mifangaro dia travaillena amin’ny tanana
amin’izay mandrapahazo boule.
- Rehefa manomboka mahazo boule dia arotsaka ny menaka. Tohizana travaillena
ihany.
- Rehefa mahazo boule dia apetraka ao anaty koveta jobo, saromana lamba kely mba
hi-double ny volume. (mandritra ny adiny 1)
- Omanina amin’izay ny plan de travail (latabatra malama hiasana) asiana farine mba
tsy hiraikitra ny pate.
- Fisapisahana amin’ny tanana aloha
- Avy eo manomboka mikosika amin’ny rouleau ianao.
11
SAUCE PIZZA
Ny sauce eo amboniny no hamaritana ny anaran’ny pizza, azonao atao noho izany ny mamorona ny
anarana pizza ataonao.
Ohatra :
Bolognaise :
Végetarienne :
- Karoty : sautena amin’ny menaka 3 sotro ny karoty lamelle (ilay famoasana karoty ireny no
ampiasaina mba azahoana lamelle) Asio tongolo gasy ny karoty
- Courgette : mitovy amin’ny karoty ihany, lamelle ihany koa. Asio sakamalaho ny courgette
- Mais doux
Nb : tsy miaraka sautena ny karaoty sy cougette, afaka mamorona fangaro hafa ihany koa ianao
Ny fametrahana ny sauce
Ireto no apetraka voalohany arak’izao filaharany izao, misy ireto daholo ny pizza rehetra
- Coulis de tomate
- Oignon (notetehina manify dia nendasina tamin’ny menaka telo sotro)
Ohatra : ny totokena na ny akoho na ny carotte dia avy eo courgette dia avy eo mais doux na ny …
Farany, Mikapoka atody 1 ianao dia araraka amboniny. Afaka asianao zava-maitso (persil –
kotomila)
Araraka ny fromage rape, itovizan’izy rehetra ireo ingredients farany ireo.
12
Coulis de tomate
Sasana ny voatabia dia zaraina 4 ary arotsaka anaty vilany dia ataingina ambony afo.
Tsy asiana rano fa avela hiketrika ao miaraka amin’ny tongolo sy zava-manitra raha tinao.
Averina ambony afo mba haharihitra tsara ary asiana sira izay mety aminao
Remarque : tsy voatery avelatra ny pâte à pizza, fa afaka ahorona ohatran’ny tsihy izy dia
tapatapahina ohatran’ny manapaka koban’ny talata dia avy eo ampidirina lafaoro. Pizza roll no
anarany amin’izay ary fampiasa amin’ny cocktail.
13
PATE BRISEE
Ny pate brisée dia fampiasa hanamboarana tarte na quiche.
Ingredients :
- Farine 200g
- Sira 1sotro kely (raha quiche)
- Beurre 100g
- Rano 75mil (tapaky ny boite yaourt mahery kely)
- Siramamy iray sotro kely (raha tarte)
Ny appareil (eo amboniny) miankina amin’izay tinao otran’ilay pizza teo ihany fa ity sauce ity no
araraka eo amboniny (mety foana na ho an’ny tarte na ho an’ny quiche).
- Ronono 20cl
- Creme fraiche epaisse 25cl
- Atody telo
14
Io ilay crème + atody +
ronono
PATE A BRIOCHE
Ny pâte a brioche dia afaka hanamboarantsika :
Ingredients :
- 500g farine
- sira 3 tsongo
- siramamy 3 sotro fihinana feno tsara
- levure boulangère saf instant 1 fonosina sy tapany (fonosana kely)
- Atody 2
- Ronono 1 boite yaourt maison sy tapany, hafanana zakan’ny akihikely
- Menaka 3 sotro lehibe
- Zaraina roa ny farine, izany hoe 250 g avy, atao anaty koveta jobo
- Atao ao amin’ny koveta voalohany ny fangaro vovony rehetra (sira –siramamy- levure)
- Afangaro tsara (tsy atao mikasika amin’ny sira ny levure)
- Atao endrika tendrohitra indray io fangaro io ary lavahana eo afovoany. Arotsaka ao ny
fangaro mitsiranoka rehetra (liquide = atody, ronono, menaka)
- Mbola ilay koveta voalohany daholo no miasa hatreto an.
- Afangaro tsara amin’ny spatule avy ao anatiny mankany ivelany.
- Rehefa ararakao ilay pate ka tsy tapataka sy tsy misy mibontsibontsina dia vita.
- Avela ho pause 15 min amin’ny toerana mafana mba hi-double de volume
- Raha tsy mahazo pate miraraka tsara ianao dia ampio kely ny ronono. Raha diso mitsiranoka
loatra dia ampinao kely ny farine.
- Rehefa midouble de volume dia arotsaka ao amin’izay ilay farine 250g ambiny ary afangaro
tsara mandrapahazo boule. Mahazo manao izay tinao amin’izay ianao.
BRIOCHE ou PAIN Hamburger (ny hamburger rarahana sesame rehefa avy asiana dorrure)
- Zarazarainao ilay pate ary avy eo volavolaina mba hanome boribory malama tsara.
15
BRIOCHE FLEUR
TRESSE
16
PATE GENOISE
Hanamboarana gateau mazava ho azy ny pate genoise.
Ireto avy no ilaina, ho an’olona iray ireto ingredients ireto dia kotinao arak’izay.
- Atody 1
- Farine 30g (eo amin’ny iray sotro fihinana feno tsara eo io)
- Siramamy 30g
Fomba fanaovana azy
- Sarahina ny jaune sy blanc
- Kapohina ny blanc sy ny siramamy (monte en neige) tsy voatery hanana bateuse
ianao vao afaka manao gateau fa kapohy amin’ny fouet fotsiny.
- Somary atao mitongilana ny koveta asinao ny atody kapohina mba hampiala ny
rivotra.
- Rehefa miakatra tsara dia arotsaka indray mandeha ny jaune. Tohizana kapohina
hatrany
- Omany mialoha ny moule nosorana menaka dia hafanao amin’izay aloha ny four a
180ᵒ (tsy tsara miandry ela ny genoise manjary misy rivotra indray)
- Rehefa miakatra tsara ireo fangaro atody sy siramamy ireo dia arotsaka tsikelikely ny
farine ary tsy kapohina intsony fa afangaro fotsiny.
- Atao anaty moule. Ampidirana avy hatrany anaty lafaoro
- Toy ny sary voalohany no loko andrasana aminao amin’izy anaty moule mbola manta
Boky hafa mihintsy no ilainao mahakasika ny decoration saingy miankina amin’ny genoise ihany no
mahatsara ny gateau anao.
Io genoise iray io dia zaraina telo toy izao ( iny tsipika mainty iny no arahana)
- Hosoranao crème ny elanelany avy eo averina mifanaingina
- Crème Chantilly no hampiasaina. Mividy Hopla na Danica eny
amin’ny mpivarotra ianao ary atao anaty frigo alohan’ny
ampiasana azy. (raha tsy misy frigo dia mividiana yaourt boire
mivaingana dia ataovy eo ambonin’ilay Hopla.) Rehefa mangatsika
izy zay vao kapohina amin’ny fouet dia vita ny crème. Asianao
colorant arak’izay tinao ilay crème na ajanonao fotsy.
- Ampangotray anaty rano ny vy fisaka toy ny antsy hanosoranao
crème mba hampalama tsara azy…dia miainga amin’ny inspirakao
17
sy ny famoronanao ny decoration aloha. Afaka maka sosokevitra
aminay ihany amin’ny Compte FB
IDEE KELY VITSY VITSY / FANOMEZANA HO ANAO
FRAISIER
OPERA
FORET NOIRE
18
PATE A CHOUX
Ny pâte à choux dia afaka hanamboarantsika :
- Eclaire
- Cygne
- Paris breste
- …
Ny pate iray ihany fa ny endriny no mahasamihafa azy.
Ingredients (mahavita 15 lehibe) :
- Farine 150g
- Sira 2 tsongo
- Siramamy 4 tsongo
- Rano fefany 1/4l
- Atody 4
- Beurre 100g
Fomba fanaovana azy :
- Ampangotrahina ambony afo ny rano sy siramamy sy sira sy beurre
- Rehefa mangotraka sy mitsonika daholo ireo fangaro dia arotsaka indray mande ny
farine ary afangaro tsara mandrapaha tsy miraikitra eo amin’ny vilany intsony.
(afo malefaka)
- Esorina ambony afo ary avela hangatsiaka aloha mba hialan’ny entona.
- Arotsaka ny atody iray (Tsy kapohina mialoha akory) ary hafangaro tsara
- Arotsaka ny atody faharoa dia afangaro tsara
- Toy izay hatrany no atao.
- Mahazo pate toy izao ianao dia vita, raha efa toy izao ny pate nefa mbola misy
ambina atody dia aza arotsaka intsony. Samy hafa mantsy ny hangezan’ny atody.
19
- Andeha amin’izay ary hiroso amin’ny fampiasana azy
CYGNES :
Toy izao no avokanao amin’ny poche a douille (otran’ny hoe mametaka creme izany), tonga
dia eo ambony moule nochemisena izy no atao
Rehefa masaka toy ny eo amin’ny sary fahatelo dia zaraina roa mitsivalana. Avy eo ilay
ambony zaraina roa mitsangana atao elany.
20
ECLAIRS
- Afaka mamorona endriny isan-karazany ianao. Araho tsara ny fomba fikarakarana azy mba
hampibontsina ny choux.
21
CAKE
Afaka atao isan-karazany arakaraky ny moule anao ny cake, ny ataontsika eto ohatra dia ilay
antsoina hoe « cake zebre », ny ingredients ireto foana no ampiasaina fa ny endriny na ny
lokony no maha samihafa azy.
Ingredients :
- 300g farine
- 200g siramamy
- Levure chimique 2 sotro kely
- Poudre cacao 2 sotro lehibe
- 150 ml ronono (1 pot yaourt maison mahery kely)
- 150 ml menaka
Fomba fikarakarana azy :
- Atao anaty bol iray ny atody sy ny lafarine ary kapohina amin’ny fouet mba hifangaro
tsara.
- Arotsaka ny ronono sy ny menaka dia tohizana kapohina mora kokoa
- Arotsaka ny levure, sy ny farine ary kapohina mora mora hatrany mandrapahazo toy
ny eo amin’ny sary fahatelo
- Zaraina roa io pate fahatelo io avy eo ka ny faharoa asiana cacao mba ho tonga
marron
- Araraka anaty moule ny ampahany amin’ny pate misy cacao toy ny amin’ny sary
fahefatra
- Araraka eo amboniny indray ny pate fotsy amin’ny alalan’ny sotro (sary faha5)
- Dia misy cacao indray, dia nature ndray dia afandimbindimby otrizay hatrany.
(atosika amin’ny tanana ny pate tavela amin’ny sotro, isaky ny mandraraka ianao dia
mihamivelatra ny pate anaty moule.)
22
Toy izao izy rehefa vita, 180 ᵒmandritra ny 35min.
CRÈME PATISSIERE
Ingredients:
- Ronono mandry 1 boite
- Ataovy anaty vilany ny rano iray litatra sy ny ronono mandry iray boite
- Dia afanao ambony afo, rehefa mafana, asorina ambony afo dia arotsaka ny poudre crème patissiere.
- Averina ambony afo dia afangaro foana mandrapahateviny. Tsy ajanona ela ambony afo manjary
matevina loatra. Miankina amin’ny hatevin’izay tinao ihany.
23
LES ENTREES
Misy karazany roa ny entrees (sakafo mialoha ny vary sy ny laoka) :
- Entrée froide
- Entrée chaude
Misy koa noho izany ny karazana sauce :
- Sauce froide (ampiarahana amin’ny entree froide)
- Sauce chaude (ampiarahana amin’ny entree chaude)
Andeha aloha hijery ny sasantsasany amin’izy ireny isika,
I- Sauce froide
1- Mayonnaise classique
Tamenak’atody sy menaka (tsy ny fanodinanao azy mankany amin’ny ankavanana na
mankany ankavia no mampivadika ny mayonnaise fa ny kalitaon’ny atody).
2- Sauce gribiche
Ingredients :
- Atody 2
- Menaka
- Moutarde 2 sotro kely
- Zava-maitso (persil sy kotomila)
- Cornichons
- Poivre
Fomba fikarakarana azy :
- Andrahoana ny atody (œuf dur), asiana vinaigre kely ny rano andrahoina atody mba
ahatsara endrika azy.
- Sarahana ny mavo sy ny fotsy rehefa masaka ka potserina ny mavo, ny mavo ihany
izany no ampiasaina.
- Atao anaty passoire dia ao no potserina, ilay mivoaka aty ambany no ampiasaina (toy
ny amin’ny sary)
- Araraka ao ilay moutarde dia afangaro tsara amin’ny fouet
- Araraka tsikelikely amin’izay ny menaka toy ny manao mayonnaise classique ihany.
- Rehefa azonao ny habe tadiavinao dia harotsaka amin’izay ny zava-maitso ary
afangaro sy ny cornichon voatetitetika.
24
3- Sauce holondaise
Ingredients :
- Tamenak’atody manta 4
- Rano 1 sotro lehibe isaky ny tamenak’atody ampiasainao
- Menaka roa sotro lehibe isaky ny tamenak’atody ampiasainao
- Ranona voasarimakirana iray ho an’ny atody 4
Fomba fikarakarana azy
- Atao anaty vilany ny tamenak’atody sy rano, apetraka ambony afo tena malefaka
- Aroaroina tsy mijanona amin’ny fouet, alana matetika ny vilany hitsapanao ny vodi-
vilany (tokony ho zakan’ny tananao foana izany hoe tsy mahamay mihintsy)
- Averina ambony afo indray dia kapohina foana mazava ho azy
- Alana isaky ny mamay ny vodiny, rehefa mamoaka entona dia alana ary tsy averina
ambony afo intsony.
- Araraka tsikelikely toy ny manao mayonnaise classique indray ny menaka dia
kapohina foana.
- Rehefa lany ny menaka dia vita ny sauce. Araraka amin’izay ny ranom-boasary
makirana.
4- Sauce vinaigrette
Ingredients :
- Vinaigre 1 pot yaourt maison
- Menaka 3 sotro lehibe
- Tongolo oignons 3
- Zava-maitso (kotomila sy persil)
- Poivre 1 sotro kely
- Siramamy tapaky ny sotro kely
- Sira izay mety aminao
25
Fomba fanaovana azy :
- Tetehina faran’izay madinika ny tongolo oignons sy ny zava-maitso
- Afangaro daholo ny ingredients rehetra
2- SAUCE MORNAY
Mitovy amin’ny sauce bechamel ihany fa asiana tamenak’atody 2 alohan’ny ialany ambony
fatana, mila afangaro mafimafy kokoa sy haingana izy eo manjary mivaingana ny atody.
3- Sauce poivre
Mitovy amin’ny sauce bechamel ihany fa asiana poivre voatoto 2 sotro kely sy Poivre
tsy tena voatoto tsara 1 sotro kely.
26
Ireo ary ny sauce, azonao ampiasaina amin’ireto recette manaraka ireto.
Entree froide
1- Salade mais doux
Ingredients :
- Mortadelle 200g tsy fisahana manify
- Salady 1
- Voatabia 3
- mais doux 1 boite
Fomba fikarakarana azy :
- Tetehina en des (carre) ny mortadelle sy ny voatabia
- Salade tetehina lavalava
- Afangaro daholo ireo rehetra ireo ary koa ny mais doux tsihifina tsara ny ranony
- Asinao sauce vinaigrette izy eto
2- Salade piemontaise
Ingredients :
- Ovy 4 lehibe
- Voatabia 4
- Atody roa
- Sira
- Jambon 100g
- Poivre
- Cornichons 4
- Atao anaty rano mangatsika anaty vilany ny ovy sy ny atody ka andrahoina ambony afo.
- Masaka ny ovy 20min aorian’ny fangotrahan’ny rano
- Masaka ny atody 10min aorian’ny fangotrahan’ny rano
- Tetehina carre daholo ny voatabia, jambon, ovy masaka sy atody masaka
27
- Tetehina boribory kosa ny cornichons
- Mayonnaise classique indray no ataonao aminy eto.
3- Salade Caesar
Ingredients :
- Salady kelikely
- Voatabia
- Akoho poulet de chair nofony (blanc)
- Pain racie
- Sauce holondaise
Fomba fikarakarana azy :
- Avelatra amin’ny sisin’ny vilia ny ravin-tsalady
- Apetraka eo ambony salady ny nofon’akoho avy nendasina (lomana tongolo gasy,
menaka, sakamalaho, sira ny akoho vao endasina) atao maimay tsara.
- Apetraka ny voatabia toy ny amin’ny sary
- Arararaka eo ambonin’ny voatabia sy ny akoho ny sauce holondaise.
- Tapatahina ny mofo efa maina
- Osorana menaka ny lapoaly
- Arotsaka ao ny mofo efa maina
- Avy eo araraka eo ambonin’ny vilia misy ny salady.
28
4- Pochette au poulet
Ingredients :
- Pain demi (alana ilay sisiny marron)
- Chapelure
- Atody nokapoina niaraka tamin’ny sira sy poivre
- Nofon’akoho notetehina
- Moutarde
- Tongolo gasy
- Tongolo oignon
- Yaourt nature
- Cornichons rapena
- Menaka
- Poivre
Fomba fikarakarana azy :
- Lomana amin’ny poivre, moutarde, tongolo gasy sy sira ny akoho voatetika
- Afanaina ny menaka, arotsaka ny oignon notetehina madinika, avy eo arotsaka ny
akoho
- Ny yaourt nature 2 kosa akambana amin’ny cornichons rape sy creme fraiche epaisse
1 sotro lehibe.
- Ny pain de mie indray, akambana tsiroaroa ary fisahina amin’ny rouleau, avy eo
didina hahazo boribory amin’ny emporte piece ohatra.
- Asoka anaty atody ny pain de mie boribory, avy eo asoka anaty chapelure dia
endasina amin’ny lapoaly misy menaka.
- Somary mibontsina izy rehefa azon’ny menaka mamay satria trace 2 mifanaingina
ireo.
- Rehefa mendy, tshifina tsara ny menaka, avela hangatsika avy eo zaraina roa.
- Vita ny pochette, atao ao ny farce : ilay akoho sy ny fangaro yaourt. Afaka asiana
salady notetehina kely mialoha ny ametrahana ny akoho.
29
5- Jambon à la macedoine
Ingredients :
- Macedoine
- Fromage coupee en carre
- Jambon
- Mayonnaise
- Sel
Fomba fikarakarana azy
- Andrahoina amin’ny rano misy sira ny macedoine, avy eo tatavanina sy tsihifina tsara
- Arotsaka anaty macedoine ny fromage
- Arotsaka ny mayonnaise
- Velarina ny jambon
- Apetraka ao ny macedoine, ary ahorina ohatra ny manorina tsihy
30
6- Plat de tomate et d’œufs
- Atao toy izao manaraka izao ny endriky ny voatabia (endrika harona)
- Amboarina ny farce : potserina malemy tsara ny antsasaky ny zavoka iray, tetehina ao ihany
koa ny atody nandrahoina 3, dia potserina tsara ihany koa (na mixena) asiana mayonnaise,
sel, poivre izay tinao.
- Asesika anaty voatabia
ŒUF MIMOSA
31
- Tetehina toy izao ny karoty, io lavalava kely io no hakana ny vavan’ny vorona
vavany tongony
32
ENTREE CHAUDE
1- Crepe poulet
Hianatra crepe isika mba ahafahana manao crepe misy farce ary rarahana sauche bechamel. Na
ahorona ny crepe, na fatorana.
- 225g farine
- Sira
- Poivre
- Beurre natsonika 50g
- Atody 2
- Ronono tapaky ny litatra
Fikarakarana azy :
- Arotsaka anaty bol iray ny atody, beurre natsonika, ronono, sira sy poivre kely araka izay
tinao.
- Kapohina amin’ny fouet ary rehefa mifangaro tsara dia arotsaka tsikelikely ny farine,
kapohina foana.
- Osorana beurre ny lapoaly
- Arotsaka ny pate crepe, fisapisahana amin’ny vodi-tsotro mba tsy hatevina loatra
- Avadika avy eo
Farce :
33
2- Roti de bœuf au poivre
Azonao atao entrée chaude izy ity raha toa ka tsy misy hen’omby ny resistance anao.
Ingredients :
ta
- Osorana sira ny hena efa voafatotra teo, hosorana tsara ny lafiny efatra
- Asiana menaka kely ny lapoaly, avela ho mamay tsara
- Arotsaka ao ny hena, tsy ho masahana ao akory, fa atao mahazo loko fotsiny toy ny amin’ny
sary.
- Rehefa mahazo loko ao daholo ny lafiny 4 amin’ny hena dia atao anaty moule
- Asiana beurre ambonin’ny hena, rarahana menaka ihany koa
- Asiana hasina tongolo gasy 4 tsy novoasana fa nopotserina amin’ny vodi-tsotra mba
hampivoaka ny fofony.
- Asiana thym ihany koa
- Afanao mialoha 200° ny four ary ampidirina ao amin’izay ny roti, mandritra ny 15
hatramin’ny 20min. Mandritra izay fotoana izay, dia rarahana menaka izy rehefa hitanao hoe
maina maina. Mety manampy menaka in-droa na in-telo ianao.
35
3- Gratin de choux fleur
Mba ampahomby ny gratin dia ezahanao mba tsy hisy rano tafiditra mihintsy anaty
moule à gratin na kely aza.
Entrée mahaleo tena ny gratin satria andrahoina izy dia efa misy sauce bechamel noho
izany tsy rarahanao sauce intsony rehefa aroso.
Azonao atao gratin daholo ny legumes rehetra – ny akoho voatetika – ny nofon-trondro -
sns
Ingredients
- Choux fleur 1
- Sira
- Fromage rapé
- Sauce bechamel
Fomba fikarakarana azy :
- Afanaina ny rano iray vilany, asiana sira
- Arotsaka ao ny choux fleur ka tsy alana ny tahony fa ny raviny ihany no esorina
- Afaka 30min, esorina ao ny choux fleur ka ajanona anaty passoir mihintsy aloha izy
ampitsika tsara ny ranony (efa nalana ilay tahony mafy be amin’io)
- Mandritra io fotoana io mikarakara bechamel iana, amin’izay mitsika tsara ny choux
fleur
- Vita ny bechamel, arotsaka anaty moule à gratin ny ampahany
- Araraka eo amboniny ny fromage rapé, avy eo ny choux fleur
- Araraka ny ambin’ny bechamel, faranana amin’ny fromage rapé
N.b : Ianao no misafidy na moule ngeza no ampiasainao dia tracena apetraka amin’ny vilia fisaka 36
Maro ireo feuillété azonao ampiasaina ho entrée chaude, saingy ohatra ihany ity, satria efa misy
atody ny farce dia sauce bechamel no ampiasaintsika, raha hena fotsiny no farce dia azonao atao
ny sauce mornay.
Ingredients :
- Pate feuilleté
- Totokena misy sira sy poivre ary kotomila kely sy atody iray nokapoina
- Atody masaka (œuf dur) iray ho an’ny olona roa
- Sauce bechamel
NB : Ampio fromage rapé ny bechamel rehefa ampiasainao amin’ny entrée chaude mba hanome
tsiro azy.
37
SNACKS FOOD
Ny snack food dia ireo sakafo hoanina anelanelam-potoana. Na atao amin’ny cocktail sns na
ihany koa azo amidy ao amin’ireny snack ireny mazava ho azy.
1- Boullette chinoise
Ingredients :
- Totokena 500g
- Fecule de manioc na maizena 3 sotro fihinana
- Menaka 3sotro fihinana
- Levure chimique 2 sotro kely
- Sira izay mety aminao
- Tongolo gasy sy sakamalaho nototoina
2- Steak chinoise
Ingredients :
- Nofonkena 1kg
- Tongolo gasy voatoto 1 sotro fihinanana
- Sakamalaho voatoto 1 sotro fihinana
- Sauce soja 1 sotrobe
- Atody 2
- Fecule de manioc (antsasaky ny sotrobe)
- Sira sy poivre
- Menaka iray sotrobe
- Epices izay tinao
Fomba fikarakarana azy :
- Fisahana manify ny nofonkena ararakaraky ny habe itiavanao azy.
- Lomana miaraka amin’ny ingredients rehetra mandritra ny adiny 1 farafahakeliny
- Endasina avy eo, tsy asiana menaka intsony.
- Aroso miaraka amin’ny salade na ovy frite
38
3- Gougeres aux fromages
- Toy ny manao pate a choux ihany, fa asinao fromage rape miaraka amin’ilay pate
- Dressena amin’ny poche a douille
- Ampidirina anaty lafaoro mandritra ny 15 min 180degre
- Rehefa masaka dia vonoina ny lafaoro saingy mbola avela ao mandritra ny 15 min
indray mba ho maina tsara
39
5- Pate à beignet
Ny pate à beignet dia ampiasaina anaovana mofo akoandro sy ireo beignet isan-karazany
Ingredients :
- Farine 250g
- Kobam-bary 125g
- Levure chimique 1 sotro kely
- Sira na siramamy
6- Boulette de poulet
Ingredients :
- Nofon’akoho 300g
- Tongolo gasy
- Persil
- Oignon 2
- Farine 3 sotro fihinanana
- Atody 1
- Sira sy poivre
Fomba fikarakarana azy :
- Tetehina madinika ny akoho avy eo mixena miaraka amin’ny ingredients rehetra
(tongolo sy persil ef notetehina ihany koa) afatsy ny farine
- Rehefa malemy tsara izay dia arotsaka ny farine ary afangaro sisa.
- Volavolaina toy ny manao catless ireny dia endasina, asiana farine kely ny tanana raha
miraikitra
- Azonao atao pané ihany koa ity recette iray ity
40
7- Madeleine
Ingredients :
- 100g de farine
- 100g siramamy
- 100g beurre natsonika
- Levure 1sotro kely
- Sira ½ sotro kely
41
CHARCUTERIE
Ny charcuterie ampianarina anao eto dia charcuterie tsy misy produits chimiques
mihintsy. Ny produits chimiques atao amin’ny charcuterie mantsy dia natao mba
hitehirizana azy saingy kosa misy akony ratsy eo amin’ny fahasalamana.
Noho izany, raha manao azy ianao dia ny frigo no hitehirizanao azy, raha tsy misy rano
tafiditra mihitsy koa ao anatiny dia tsy atahorana ho mora simba. Azo tonga dia
hoanina avy hatrany koa anefa fa tsy voatery tehirizina.
1- Mortadelle de bœuf :
Ingredients :
- 500 g totokena
- Tongolo gasy
- Atody 4
- Fecule de manioc 3 sotro lehibe
- Fromage vache qui rit 4
- Sira sy poivre
- Epices hafa izay tinao
Fomba fanaovana azy :
- Mixena miaraka ny ingredients rehetra
- Velarina ny papier alu
- Araraka eo ny fangaro, atambatra tsara mba tsy hiparitaka
- Ahorona amin’izay, fatory ny sisiny roa, gejaina tsara mba tsy hidiran’ny rano, azonao
doublena ny papier alu raha mbola tsy zatra ianao.
- Raha manana recipient toy ny amin’ny sary ianao dia tsy mila papier alu.
- Andrahoina bain marie mandritra ny adiny 1 sy sasany mba ho masaka tsara
- Rehefa mangotraka ny rano izay vao atao ny bain marie
42
2- Paté de foie
Ingredients :
- Nofon-ken’omby 500g
- Atiny 250g
- Farine 100g
- Sira
- Poivre
- Tongolo oignon 2 notetehina madinika
- Epices izay tinao
- Tongolo gasy
- Menaka 3sotro fihinana
Fomba fikarakarana azy :
- Tetitetehina ny nofon-kena, dia andrahoina amin’ny rano 1 litatra latsaka kely
mandritra ny 30min
- Rehefa masaka dia totona miaraka amin’ny ati-kena manta efa voadio tsara
- Avy eo mixena miaraka amin’ny ingredients rehetra.
- Atao anaty moule
- Andrahoina bain marie ihany koa ka tsatohana antsy kely rehefa tsy manaraka intsony
dia masaka
- Azonao ahosotra amin’ny mofo na atao farce entrée sns
3- Rilettes de carotte
Ingredients :
- 300g de carottes
- 5cl crème liquide
- 10 vache qui rit
- Sel et poivre
43
4- Fromage blanc
Ingredients :
- Ronono ½ litatra
- Fromage vache qui rit 2
- Vinaigre 1 sotro fihinana
- Ranomboasary makirana 1 sotro fihinana
- Beurre natsonika 1 sotro fihinana
Fomba fikarakarana azy :
- Andrahoina ny ronona ½ litatra, vao mangotraka dia alana ambony afo
- Arotsaka ao ny vinaigre dia arohiroina
- Mamoaka fangaro mivaingambaingana toy ny amin’ny sary
- Tatavanina, ilay fangaro mitambaingambaingana iny no ilaina satria iny no antsoina
hoe fromage blanc
- Avela ho pause mandritra ny adiny 2
- Mixena avy eo ny fromage blanc, ny vache qui rit ary ny beurre
- Rehefa malemy tsara dia arotsaka ny jus de citron
- Vita ny fromage blanc
44
TENY FAMARANANA
Ny Hoavy Razafimahatratra
45